Ny Baibol, Epistola voalohan’i Joany, Chapter 1. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11160&pid=64&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola voalohan’i Joany

Ny Baibol

Epistola faharoan’i Piera Epistola voalohan’i Joany Epistola faharoan’i Joany

Chapter 1 2 3 4 5

1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana

2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay), -

3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.

4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [ Na: fifalianareo]

5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.

6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

<< Prev Top Next → >>