Ny Baibol, Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote, Chapter 5. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11124&pid=56&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote

Ny Baibol

Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Tesalonisiana Epistola voalohan’i Paoly ho an’i Timote Epistola faharoan’i Paoly ho an’i Timote

Chapter 1 2 3 4 5 6

1 [Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,

2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra.

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.

4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.

5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina

6 Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.

7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.

8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

9 Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany

10 ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.

11 Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady

12 ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.

13 Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.

14 Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.

15 Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana.

16 Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [ Gr. eklesia]

17 Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [ Gr. presbytera]

18 Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).

19 Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [ Gr. presbytera]

20 Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.

21 Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.

22 Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.

23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.

24 Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana.Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.

25 Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.

<< ← Prev Top Next → >>