Ny Baibol, Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana, Chapter 8. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11070&pid=48&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana

Ny Baibol

Epistolan’i Paoly ho an’ny Romana Epistola voalohan’i Paoly ho an’ny Korintiana Epistola faharoan’i Paoly ho an’ny Korintiana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16

1 [Ny amin'ny hena izay efa natao fanatitra tamin'ny sampy] Ary ny amin'ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.

2 Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.

3 Fa raha misy tia an'Andriamanitra, dia izy no fantany.

4 Ary ny amin'ny mihinana ny hena aterina amin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Iray ihany.

5 Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);

6 nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

7 Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.

8 Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin'Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony.

9 Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an'ny malemy.

10 Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?

11 Fa verin'ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan'i Kristy tamin'ny fahafatesana?

12 Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo.Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.

13 Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.

<< ← Prev Top Next → >>