Ny Baibol, Evanjelin’i Joany, Chapter 3. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=11000&pid=45&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Evanjelin’i Joany

Ny Baibol

Evanjelin’i Lioka Evanjelin’i Joany Asan’ny Apostoly

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21

1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.

2 Izy nankao amin'i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.

3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [Na: ateraka avy ambony]

4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?

5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. [Na: hateraka avy any ambony]

8 Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

Evanjelin’i Joany 3:8 - Jesus Teaches Nicodemus
Jesus Teaches Nicodemus
9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?

10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?

11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.

12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?

13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra.

14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,

15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

16 Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [Gr. hitsara]

18 Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [Gr. tsaraina] [Gr. voatsara]

19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [Gr. voatsara]

20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.

21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.

22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.

23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.

24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.

25 Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana;

26 ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.

27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.

28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.

29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.

30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

31 Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra;

32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.

33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.

34 Fa Izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy.

35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

<< ← Prev Top Next → >>