Ny Baibol, Evanjelin’i Lioka, Chapter 12. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10985&pid=44&tid=2&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta vaovao / Evanjelin’i Lioka

Ny Baibol

Evanjelin’i Marka Evanjelin’i Lioka Evanjelin’i Joany

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24

1 Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.[Na: niteny tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Ambony indrindra, mitandrema]

2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.

4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.

5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[Gr. Gehena]

6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.

7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]

11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;

12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

13 Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.

14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?

15 Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.

16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.

17 Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?

18 Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.

19 Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.

20 Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?

21 Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.

22 Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.

23 Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.

24 Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?

25 Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza? [Na: ny halavan'ny tenany] [Gr. hakiho iray]

26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?

27 Hevero ny fanirin'ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.[ Karazan'ny lilia]

28 Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?

29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.[Na: aza aingaingain'ny fanantenana foana]

30 Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.

31 Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[Na: (ny fanjakan'Andriamanitra)]

32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.

33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.

34 Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.

35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;

36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.

37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.

38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.

39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.

40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.

41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?

42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?

43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.

44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.

45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,

46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[Na: hokapohiny mafy]

47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.

48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.

49 Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?[Na: ary inona intsony no iriko, raha mirehitra sahady izany?]

50 Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!

51 Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.

52 Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.

53 Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.

54 Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.

55 Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.

56 Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?

57 Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina? [Na: Nahoana ianareo no tsy mahay mitsara marina avy ao am-ponareo ihany?]

58 Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

59 Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

<< ← Prev Top Next → >>