1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.
2 [Ny loza hanjo an'i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
3 Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.
4 Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.
5 Noho ny fahadisoan'i Jakoba sy ny fahotan'ny taranak'Isiraely no isian'izany rehetra izany. Iza no nahadiso an'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Joda? Tsy Jerosalema va?
6 Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
7 Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.
8 Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.[Heb. hisaona][Na: jakala][Heb. hitomany]
9 Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]
10 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.[Na: mihosinkosena... ianao][Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]
11 Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira: = tsara tarehy]
12 Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.[Heb. manaintaina][Marota = fangidiana]
13 Fehezo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.
14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba.[Akziba = ranotrambo]
15 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.[Maresa = lova]Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
16 Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola] |