Ny Baibol, Daniela, Chapter 11. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10861&pid=29&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Daniela

Ny Baibol

Ezekiela Daniela Hosea

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12

1 Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.

2 [Faminaniana koa ny amin'ny zavatra mbola hiseho] Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia.

3 Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.

4 Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo.

5 Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.

6 Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany.[Na: dia samy amin'ny fotoany avy]

7 Fa hisy solofony anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.

8 Ary ny andriamaniny koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely ny mpanjakan'ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho]

9 Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany.

10 Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.

11 Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.

12 Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.

13 Fa hiverina ny mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.

14 Ary amin'izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatò ny fahitana, nefa ho lavo izy.

15 Ka dia ho avy ny mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.

16 Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.

17 Dia hivonona tsara handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.

18 Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.

19 Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.

20 Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady.

21 Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny fahafetsena,

22 ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin'ny safotra]

23 Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.

24 Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana.

25 Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.

26 Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.

27 Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany.

28 Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy

29 Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;

30 fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina.

31 Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry]

32 Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatò azy.[Na: dia hahery ka hahefa]

33 Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.

34 Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.

35 Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.

36 Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.

37 Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.

38 Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.

39 Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.

40 Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.

41 Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.

42 Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.

43 Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.

44 Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.

45 Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.

<< ← Prev Top Next → >>