Ny Baibol, Ezekiela, Chapter 28. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10830&pid=28&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ezekiela

Ny Baibol

Fitomaniana Ezekiela Daniela

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48

1 [Faminaniana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro;] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;

2 Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,

3 Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!

4 Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao

5 Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;

6 Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,

7 Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao

8 Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.

9 Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao

10 Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.

11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]

13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]

14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.

16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.

17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,

18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.

19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.

20 [Faminaniana ny amin'i Sidona, sy fanomezan-toky ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

21 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,

22 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masina amin'ny ataoko aminy.

23 Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.

24 Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an'ny taranak'Isiraely, avy amin'ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.

25 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin'ny firenena izay nampielezana azy ny taranak'Isiraely, dia hiseho ho masina eo imason'ny firenena Aho amin'ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy.Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

26 Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin'ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

<< ← Prev Top Next → >>