Ny Baibol, Fitomaniana, Chapter 4. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10801&pid=27&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Fitomaniana

Ny Baibol

Jeremia Fitomaniana Ezekiela

Chapter 1 2 3 4 5

1 [Fietren-tena noho ny fitsarana ataon'Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.

2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr'i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan'ny mpanefy tanimanga!

3 Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]

4 Ny lelan'ny zaza minono miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.

5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin'ny jaky dia mandamaka eny amin'ny zezika.[Heb. Naziritany]

6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok'i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,

7 Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.[Heb. Naziritany][Na: perila]

8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin'ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.

9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian'ny vokatry ny saha.

10 Ny tanan'ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin'ny fandringanana ny oloko zanakavavy.

11 Tanterahin'i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.

12 Ny mpanjakan'ny tany sy ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema.

13 Noho ny fahotan'ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran'ny marina tao aminy, no nahatongavan'izao.

14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.

15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin'ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.

16 Ny fahatezeran'i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain'ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]

17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin'ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.

18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.

19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin'ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.

20 Ny fofonainay, ilay voahosotr'i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin'ny alokalony no hahavelona anay any amin'ny firenena.

21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin'ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.

22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.

<< ← Prev Top Next → >>