Ny Baibol, Jeremia, Chapter 5. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10750&pid=26&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Jeremia

Ny Baibol

Isaia Jeremia Fitomaniana

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50 51 52

1 [Ny faharatsian'ny olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.

2 Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.

3 Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.

4 Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny;

5 Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.

6 Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.[lopa]

7 Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]

8 Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.

9 Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

10 Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.

11 Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.

12 Nahafoy an'i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;

13 Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.[Na: ny teny]

14 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.

15 Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.

16 Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.

17 Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.

18 Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.

19 Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo.[Heb. ianareo]

20 Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:

21 Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:

22 Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.

23 Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,

24 Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.

25 Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.

26 Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.

27 Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.

28 Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.

29 Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

30 Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?

31 Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?

<< ← Prev Top Next → >>