Ny Baibol, Ohabolana, Chapter 10. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10638&pid=22&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ohabolana

Ny Baibol

Salamo Ohabolana Mpitoriteny

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31

1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny tsi-fitovian'ny toetry ny hendry sy ny adala, mbamin'ny valin'ny ataony avy] Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.

2 Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.

3 Tsy avelan'i Jehovah ho mosarena ny fanahin'ny marina; Fa foanany ny fanirian'ny ratsy fanahy.

4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan'ny mazoto.

5 Izay manangona amin'ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin'ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.

6 Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.[Na: Fa manaron-doza]

7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy.

8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.

9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.

10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.

11 Loharanon'aina ny vavan'ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. [Izahao and. 6]

12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.

13 Amin'ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy ampy saina.

14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan'ny adala eo akaikin'ny fandringanana.

15 Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan'ny ory no fandringanana azy.

16 Ho fiainana ny asan'ny marina; Fa ho ota ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy.

17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.

18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.

19 Ny teny maro tsy ilaozan'izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.

20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny marina; Fa ny fon'ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.

21 Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.

22 Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.[Na: Ary tsy ampiany alahelo]

23 Toa laolaon'ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa. [Na: Toa laolaon'ny adala ny fahafetsena; Fa ny manan-tsaina no manam-pahendrena]

24 Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin'ny marina no homena azy.

25 Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.

26 Toy ny vinaingitra amin'ny nify sy ny setroka amin'ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy.

27 Ny fahatahorana an'i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan'ny ratsy fanahy hohafohezina.

28 Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana.

29 Ny lalan'i Jehovah dia fiarovana mafy ho an'izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an'ny mpanao ratsy.

30 Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin'ny tany.

31 Eo amin'ny vavan'ny marina no itsimohan'ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

32 Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

<< ← Prev Top Next → >>