Ny Baibol, Ohabolana, Chapter 7. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10635&pid=22&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ohabolana

Ny Baibol

Salamo Ohabolana Mpitoriteny

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31

1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.

2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.

3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.

4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;

5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]

6 Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,

7 Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,

8 Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,

9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.

10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,

11 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;

12 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.

13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:

14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.

15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.

16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.

17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.[Heb. ahalima]

18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.

19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;

20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.

21 Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,

22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana, [Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]

23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.

24 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.

25 Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.

26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]

27 Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]

<< ← Prev Top Next → >>