Ny Baibol, Ohabolana, Chapter 4. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10632&pid=22&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Ohabolana

Ny Baibol

Salamo Ohabolana Mpitoriteny

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31

1 [Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.

2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.

3 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]

4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.

5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.

6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.

7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]

8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.

9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.

10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.

11 Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.

12 Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.

13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.

14 Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.

15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.

16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.

17 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.

18 Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.

19 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.

20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.

21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.

22 Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.

23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. [Heb. fivoahan']

24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.

25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.

26 Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.

27 Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.

<< ← Prev Top Next → >>