1 [Haleloia ho an'ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
2 Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
3 Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
4 Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
5 Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
6 Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
7 Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
8 Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
9 Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
10 Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11 Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
12 Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14 Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15 Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16 Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.[Heb. volon'ondry]
17 Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
18 Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
19 Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
20 Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia. |