1 [Ny tanànan'i Jehovah, izay hahaterahan'ny firenena maro ho isan'ny Isiraely] Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
2 Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan'Andriamanitra
4 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.[Na: Egypta]
5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao. |