Ny Baibol, Eksodosy, Chapter 40. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10090&pid=4&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Eksodosy

Ny Baibol

Genesisy Eksodosy Levitikosy

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40

1 [Ny nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.

3 Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.

4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.

5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.

6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.

7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.

8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.

9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.

10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.

11 Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.

12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.

13 Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.

14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.

15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.

16 Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.

17 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.

18 Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.

19 Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.

21 Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

22 Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.

23 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

24 Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.

25 Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

26 Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;

27 ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

28 Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;

29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.

31 Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.

32 Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

33 Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.

34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

35 Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

36 Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;

37 fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.

38 Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.

<< ← Prev Top Next >>