Ny Baibol, Genesisy, Chapter 29. is available here: https://www.bible.promo/chapters.php?id=10029&pid=3&tid=1&bid=84
Holy Bible project logo icon
FREE OFF-line Bible for Android Get Bible on Google Play QR Code Android Bible

Holy Bible
for Android

is a powerful Bible Reader which has possibility to download different versions of Bible to your Android device.

Bible Verses
for Android

Bible verses includes the best bible quotes in more than 35 languages

Pear Bible KJV
for Android

is an amazing mobile version of King James Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible BBE
for Android

is an amazing mobile version of Bible in Basic English that will help you to read this excellent book in any place you want.

Pear Bible ASV
for Android

is an amazing mobile version of American Standard Version Bible that will help you to read this excellent book in any place you want.

BIBLE VERSIONS / Ny Baibol / Testamenta taloha / Genesisy

Ny Baibol

Genesisy Eksodosy

Chapter 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 28 29 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 48 49 50

1 [Ny nanompoan'i Jakoba an'i Labana hahazoany an'i Lea sy Rahely ho vadiny, sy ny nahaterahan'ny zanany] Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.

2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.

3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.

4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.

6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.

7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.

8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.

9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.

10 Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.

11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.

Genesisy 29:11 - Jacob and Rachel
Jacob and Rachel
12 Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.

13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.

14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,

15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hano­mpo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho karamanao.

16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny.

17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.

18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.

Genesisy 29:18 - Jacob’s Deal for Rachel
Jacob’s Deal for Rachel
19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.

20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.

21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko.

22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.

23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.

24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.

25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?

26 Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny.

27 Tanteraho ny herinandron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.

28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.

29 Ary nomen'i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.

30 Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Labana fito taona indray izy.

31 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan'anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.

32 Dia nanan'anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia na­taony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho.

33 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.

34 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.

35 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.

<< ← Prev Top Next → >>